Monthly Archives: janvier 2022

Araka ny andraikitra izay voafaritry ny lalàna ho sahaniny, anisan’izany ny fandaminana, ny    fitsirihana sy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana, ary ny fanolorana toromarika mahasahana ny asa fanaovan-gazety, ny famoahana ny karatry ny mpanao gazety, ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara dia manao izao fampahatsiahivana sy fampitam-baovao  manaraka izao :

Hatomboka ny zoma 04 febroary 2022 ny famoahana ny karatry ny mpanao gazety, ka araka ny efa voalaza ombieny dia mpanao gazety manodidina ny 1500 eo ho eo, tafiditra amin’ny andiany voalohany, no hisitraka izany

Hisokatra amin’io fotoana io ihany koa ka hifarana ny faran’ny volana martsa, ny fandraisana ireo fangatahana vaovao, hahazoana ny karatra, havoaka ho an’ny andiany faharoa, amin’ity taona ity ihany

Ny mpanao gazety matihanina dia ny olona izay manao foto-draharaha    sy                ara-dalàna ny fikarohana ny zava-mitranga any amin’ny loharanom-baovao ary mampita izany amin’ny alalan’ny fomba mifanentana amin’izay, amin’ny vahoaka. Amin’izany          foto-draharaha izany no isintonany ny hery rehetra ilaina amin’ny antom-pisiany.

 Andraikitra sy fomba fiasan’ny mpanao gazety ny fanajana ny tandro hasina sy ny  deontolojian’ny asa fanaovan-gazety, ny fanamarinana ny fahamarinan’ny vaovao azony sy ny  fanavahana ny zava-misy sy ny fanazavana na famelabelarana.

Toy ny Mpanao gazety rehetra iray vatsy iray aina ao anatin’ny asa, ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara dia saro-piaro amin’ny fahalalahana sy ny fiarovana ny  zo aman-kasin’ny asa fanaovan-gazety.

 Natao, teto Antananarivo, ny 29 janoary 2022.

Nandray anjara mavitrika tamin’ny Tagnamaron’ny fambolen-kazo ireo mpanao gazety tany amin’ny faritra Boeny, notarihin’ny Biraon’ny Holafitra any an-toerana, ny sabotsy 29 janoary teo, tao Marohogo.
Tsiahivina fa tsy ny tao Boeny ihany no nahitana izay fahavitrihan’ny mpanao gazety nanao hetsika Tagnamaro izay, fa saika nanerana ny Nosy.
Nosantarina ny herinandro teo ihany koa ny fampiasana ny efitrano vaovao hiasan’ny biraon’ny OJM, an’ny faritra Boeny, sy ny efitrano fivoriana ho an’ny mpanao gazety, eo anivon’ny Tranoben’ny Serasera.
[aigpl-gallery id= »10911″]
« Fambolen-kazo fanarenana loharano, antoky ny fiveloman’ny mponina » lohahevitry ny taom-pambolen-kazo 2022.
Toy ny olom-pirenena rehetra dia manatanteraka ny adidiny ho an’ny firenena ny mpanao gazety. Maro izy ireo no mandray anjara feno amin’ireo hetsika fambolen-kazo isan-karazany any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy.
Mankasitraka feno ary mandrisika izany ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara izay nametraka ho anisany vinany ny fandraisana andraikitra eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana maharitra.
Hankasitrahana feno ihany koa ireo fikambanan’ny mpanao gazety samihafa izay misehatra mavitrika amin’izany fambolen-kazo izany
[aigpl-gallery id= »10918″]
Tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) amin’ity taona 2022 ity ny fanofanana mpanao gazety amin’ny fikirakirana ny vaovao amin’ny tontolon’ny fifidianana, izay iarahana amin’ny fiarahamonim-pirenena, hoy ny filohan’ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo.