Monthly Archives: février 2022

ITASY : Fihaonam-be ny alahady teo.
Nihaona ny 20 febroary teo, tao Ambatomirahavavy, distrika Arivonimamo, faritra Itasy ireo mpanao gazety sy mpamokatra fandaharana amin’ny onjampeo ao Itasy.
– Nampahafantarina ny vina sy ireo tanjona manokana ho an’ny efa-taona, nofaritan’ny biraon’ny OJM
– Nifampizarana ny traikefa haha-matihanina hatrany ny asa
– Nikaonan-doha ny hanamarihana ny 3 mey : andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Misy onjampeo enina amin’izao fotoana izao ao Itasy: Radio RTS (28taona) ao Soavinandriana. Radio Feon’Itasy na Radio Fy (22 taona) Miarinarivo. Radio AMI (5 taona) sampan’ny Radio Don Bosco eto Miarinarivo. Radio Solanga ao Ambatomirahavavy. Radio Fivoarana ao Imerintsiatosika. Izy roa ireo izay vao nitsangana herintaona latsaka izay. Ary ny RNM sy TVM.

Araka ny efa nampahafantarina : nanomboka androany 16 febroary ny fizarana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety.
– Zato teo ho eo isika no tonga. Mankasitraka antsika tonga maro naka izany sahady, tamin’izao andro voalohany izao. Maneho ny maha-zava-dehibe ny fananana ny karatra, izay isitrahantsika ny zo voalazan’ny lalàna sy ireo fifanekena iraisam-pirenena momba ny asa fanaovan-gazety.