Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny asa fanaovan-gazety ka manana andraikitra goavana ireo mpanao gazety hizara vaovao marina sy mahaliana ary ilain’ny mponina.
Mpanao gazety sy mpanentana fandaharana 27 avy ao amin’ny distrikan’Antalaha sy Sambava, nanamafy traikefa momba ny fikirakirana vaovao miompana amin’ny zon’ny zaza, ny 30 sy 31 aogositra 2022, tany Antalaha.