Category Archives: Communiqués et déclarations

Manoloana ny fandrahonana hitifitra amin’ny basy sy fanimbana ny fitaovana fiasana izay nihatra tamin’ny mpanao gazety iray tao amin’ny tetezana Kalandy, Distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, ny alahady 24 jolay 2022 dia manameloka ny endrika herisetra rehetra atao amin’ny mpanao gazety, eo am-panatanterahana ny asany ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
Mampahatsiahy ireto andinin-dalàna ao amin’ny Lalàna 2020-006 mifehy ny Serasera amin’ny haino vaky jery, manaraka ireto.
Misaona ny tontolon’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara. Nodimandry omaly hariva teo amin’ny faha 88 taonany Rahajarizafy Rémi, mpanao gazety zokiolona, filoham-boninahitry ny CJD ary mpahay tantara, fantatra amin’ny solon’anarana Dami na koa Ralehilahy.
Nikaroka sy nanoratra boky momba ny mpanjaka Radama, nsy ny raharaha 1947.
Tohin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaoperativam-pitaterana « zone régionale » ao anatin’ny faritra Menabe sy ny mpanao gazety any an-toerana, tsy mandoa saran-dalana ireo mpanao gazety raha hanatontosa ny asany, ao anatin’ireo toerana lalovan’ny taksiborosy mpitatitra voakasik’izany, dia ny an’ny kaoperativa FIFIMO sy KOFIME tarihin’Andriamatoa Bora sy Asgara.

FODIAMANDRY
Amin’alahelo lehibe no ampandrenesana ny fodiamandrin’ny mpanao gazety, Roger Sam Wei Tak, « correspondant »n’ny RDB taloha tao amin’ny faritra Atsinanana, sady mpanao gazety ao amin’ny Info média.

Nodimandry tao Antananarivo izy, ny 6 jolay 2022.

Ho tonga any Toamasina ny alakamisy 7 jolay 2022 ny razana.
Miombon’alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny mpiara-miasa aminy ny fianakaviamben’ny mpanao gazety, eto amin’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.

Karatra maha matianina andiany faharoa
Nitafa tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Birao fiasan’ny OJM etsy Ambohidahy, ny 17 jona 2022, ny Vaomiera isasahana mikirakira ny antontan-taratasy fangatahana karatra matianina maha-mpanao gazety.
Nambaran’izy ireo tamin’izany fa miisa 392 ireo mpanao gazety nahafeno fepetra, ka ny 197 amin’ireo, eto Analamanga. 97 kosa ireo fangatahana nolavina.
Azo jerena ao amin’ny tranonkalam-pifandraisan’ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara (www.ojm.mg) ny lisitra vonjy maika ahitana ny anarana ao anatin’ity andiany faharoa ity.
Manana hatramin’ny 3 jolay 2022 ny rehetra, hitondrana ny fanamarihana sy fanitsiana, na fitarainana sy fanaporofoana, ka halefa amin’ny adiresy mailaka cpc@ojm.mg, mialoha ny hamoahana ny lisitra tena izy.
Marihana fa hisy sandany 20.000 ariary isan-karatra.
Hisokatra amin’ny volana janoary 2023 kosa ny fandraisana ny taratasy fangatahana ho an’ny andiany fahatelo.
—–
La Commission paritaire Centrale (CPC), chargée d’examiner les dossiers de demande en vue de l’octroi des cartes professionnelles des journalistes, a tenu ce 17 juin 2022 une conférence de presse au siège de l’OJM, à Ambohidahy.
Les membres de la CPC ont ainsi indiqué que pour cette deuxième vague, 392 journalistes, dont 197 exerçant dans la région Analamanga, se verront attribuer une carte, tandis que 97 demandes ont été refusées, n’ayant pas rempli les critères prévus par les textes. La liste provisoire des bénéficiaires est visible sur le site de l’Ordre des Journalistes de Madagascar (www.ojm.mg), et les concernés ont jusqu’au 3 juillet 2022 pour effectuer les réclamations ainsi que corrections nécessaires en envoyant un mail à l’adresse cpc@ojm.mg
A noter que le coût d’une carte est de 20.000 ariary et que la demande de nouvelles cartes au titre de la troisième vague s’ouvre en janvier 2023.
[aigpl-gallery id= »14466″]