Category Archives: Communiqués et déclarations

Ny asa fanaovan-gazety sy ny miralenta

Mpanao gazety manodidina ny 20, avy amin’ny Faritra sivy : Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anôsy, Androy, Atsimo Andrefana no manamafy ny fahaiza-manao momba ny fandrakofana ny vaovao manome lanja ny miralenta, ny 25-27 aprily 2022, ao Fianarantsoa.

FIARAHA-MIORY
Namoy namana mpanao gazety ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Melaky.
Nodimandry ny sabotsy 23 aprily 2022, RAKOTONIRINA Raymond. Delegen’ny Serasera tao Morafenobe. Nanokatra ny RNM sy TVM tao izy, ny taona 1983. Efa nitazona ny andraikitra Chef de Service Administration et Finance tao amin’ny DRCC Melaky ihany koa nandritra ny fito taona.
39 taona nanaovana ny asa fanaovan-gazety izy ary roa taona nisotroana ronono, izao lasana izao. Nizara ny traikefany, nampiofana, matianina eo amin’ny fakàna sary ihany koa izy.
Namela mananon-tena sy kamboty efatra mianadahy.
Miombom-po amin’ny fianakaviany sy ireo mpiara-miasa, tapaka sy namana, ny fianakaviamben’ny mpanao gazety eto Madagasikara.
Mandria am-piadanana Raymond !
©: VP OJM Melaky. FANOMEZANTSOA Marie Robine