Category Archives: Événements

Fizarana karatra ho an’ny mpanao gazety
Mpanao gazety 99 no nahazo karatra maha-matianina eto amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Ny zoma 11 martsa 2022 no nizarana izany teto amin’ny « espace ZARY Tanamandroso » ho an’ny eto Ambatondrazaka sy Amparafaravola ary Andilamena, izay notontosain’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety eto amin’ny faritra niaraka tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Nahazo fanasàna, anisan’ireo nanatrika ny 8 martsa, Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy, nandritra ny fanamarihana ofisialy, tany Vakinankaratra, ny OJM. Vehivavy mpanao gazety manodidina ny telopolo eo ho eo, nahitana solotenan’Analamanga, Vakinankaratra, Melaky, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, notarihin’ny filohan’ny OJM, RASOLOARISON H. Monica no nisolo tena ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, tany an-toerana. Ankoatry ny ofisialy, nisy ihany koa ny fanamarihana isam-paritra, nahitana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy mpanao gazety. Miisa 491 ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara, voaisa, tamin’ireo 1500, nahazo karatra maha matianina, andiany voalohany, nozaraina teo. Izany hoe, vehivavy ny 32% amin’ny mpanao gazety eto Madagasikara, araka io fanisana io, ka ny ao amin’ny faritra Analamanga no ahitana ny maro an’isa indrindra. Nampifandraisin’ny filohan’ny OJM amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny maha vehivavy, tamin’ny lohahevitry ny fanamarihana, ny hafatra nampitainy ho an’ny vehivavy mpanao gazety, ho an’ny 8 martsa 2022, araka izao manaraka izao : « Viavy miavotse… » : tsy miankin-doha, manana ny asa maha mpanao gazety «…miatrika sy mifanampy… » : miatrika adidy sy andraikitra, sarotra, sady mpanao gazety no vady, reny, ho reny. Mifanampy, apetraka ambonin’ny fahefana rehetra ny fitiavana « …taratry ny fitovian-jo sy antoky ny fampandrosoana lovain-jafy » : mpanao gazety vehivavy, mametraka ny ho avin’ny taranaka amin’ny alalan’ny asa. Nanentanany ho amin’ny fanamafisana ny fandraisana andraikitra, hampandroso. (Cf FB OJM) Niara-nientana tamin’ny fanomanana ny fanamarihana ofisialy, ireo lehilahy, mpikambana amin’ny biraon’ny OJM ao Vakinankaratra, tarihin’ny filoha lefitra Tobiaritiana Nofidiantsoa Tsinjomahenina. Toy izao ny antontanisa mpanao gazety vehivavy isam-paritra, raha ny fanisana ireo nahazo karatra andiany voalohany. -ANALAMANGA 222 -ALAOTRA MANGORO 32 -ATSINANANA 28 – BOENY 25 -MATSIATRA AMBONY 23 – ATSIMO ANDREFANA 20 – DIANA 17 -VAKINANKARATRA 13 -BONGOLAVA 13 -ATSIMO ATSINANANA 11 – MENABE 10 -IHOROMBE 10 -SAVA 9 -AMORON’I MANIA 9 -SOFIA 8 -ANOSY 6 -FITOVINANY 6 -BETSIBOKA 6 -ITASY 5 -MELAKY 5 -VATOVAVY 5 -ANALANJIROFO 4 -ANDROY 4

ITASY : Fihaonam-be ny alahady teo.
Nihaona ny 20 febroary teo, tao Ambatomirahavavy, distrika Arivonimamo, faritra Itasy ireo mpanao gazety sy mpamokatra fandaharana amin’ny onjampeo ao Itasy.
– Nampahafantarina ny vina sy ireo tanjona manokana ho an’ny efa-taona, nofaritan’ny biraon’ny OJM
– Nifampizarana ny traikefa haha-matihanina hatrany ny asa
– Nikaonan-doha ny hanamarihana ny 3 mey : andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Misy onjampeo enina amin’izao fotoana izao ao Itasy: Radio RTS (28taona) ao Soavinandriana. Radio Feon’Itasy na Radio Fy (22 taona) Miarinarivo. Radio AMI (5 taona) sampan’ny Radio Don Bosco eto Miarinarivo. Radio Solanga ao Ambatomirahavavy. Radio Fivoarana ao Imerintsiatosika. Izy roa ireo izay vao nitsangana herintaona latsaka izay. Ary ny RNM sy TVM.