Category Archives: Revue de presse

FODIAMANDRY
Amin’alahelo lehibe no ampandrenesanay fa nodimandry ny sabotsy 11febroary 2023, ny namana TSIMIALA Clerc izay mpanao gazety ao amin’ny Radio RAKAMA RAdio KAtolika Mazava Atsinanana, Faritra Fitovinany.
Tsy salama, notsaboina tao amin’ny Hopitaly Henintsoa, nandritra ny herinandro izy, izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
Mankahery ny fianakaviany sy ireo rehetra akaiky azy ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara.
Sary sy fampitam-baovao : Faré, mpikambana birao OJM Fitovinany.

En janvier 2022, Internews a lancé la version française de Let’s Talk Vaccines (Parlons de Vaccins) – un cours interactif d’apprentissage en ligne conçu pour aider les journalistes et les créateurs de contenu du monde entier à communiquer de manière plus précise et efficace sur les vaccins COVID-19. Le cours couvre des sujets tels que la science fondamentale des vaccins, le développement et l’administration des vaccins, les essais cliniques, l’interprétation des publications scientifiques, l’équité en matière de santé mondiale et les sciences du comportement.

Fifampizarana traikefa teo amin’ny mpanao gazety tany Antsiranana, ny zoma 27 janoary 2023. Nifantohana ny momba ny andraikitra sy ny adidin’ny mpanao gazety, ny fivoaran’ny asa fanaovan-gazety.
Nizara traikefa ho an’ireo mpanao gazety any an-toerana i Pascal, mpanao gazety be traikefa, nisehatra an-taonany maro teo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.*
—————————————————–
RENFORCEMENT DE CAPACITE
Partage d’expérience entre les journalistes à Antsiranana, le vendredi 27 janvier 2023, sur les devoirs et les responsabilités du journaliste, l’éthique et la déontologie du journalisme.
Pascal, journaliste de renom, correspondant de l’Express de Madagascar a partagé ses expériences à ses pairs.
Fampitam-baovao sy sary : Sergino Kader, birao OJM DIANA
🗞️Fiaraha-miasa. Mpanao gazety manodidina ny 30, ao anatin’ny faritra Fitovinagny, no niofana ao Manakara, momba « ny fahalalahana sy ny fiarovana ny mpanao gazety », ny zoma 11 novambra 2022.
🤝 Fiaraha-miasa eo amin’ny CINDH (Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny Zon’olombelona) sy ny OJM (Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara).

FODIAMANDRY
Very namana iray indray ny fianakaviamben’ny mpanao gazety. Nodimandry ny alatsinainy 24 oktobra ny mpanao gazety RAZA Charles, rehefa notsaboina noho ny aretim-po nahazo azy, andro vitsivitsy izay. Izy izay sady filoha lefitra tompon-toeran’ny OJM, faritra Atsimo Andrefana.
Anisan’ireo zoky eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nanoratra tao amin’ny Midi Madagascar. « Masiatsiaka fanoratra manoloana ny tsy rariny. Mpanitsy sy mpampianatra ». Ireo no nahafantarana azy.
Alevina ny talata 25 oktobra 2022 ao amin’ny fasan’ny Silamo ao Toliara ny nofo mangatsiakany, ao aorian’ny lamesa ny maraina.
Miombon’alahelo sy mirary fiononana ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy, ny biraon’ny OJM Atsimo Andrefana, ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
[aigpl-gallery id= »15572″]