Blog

Taorian’ny namoizana ny namantsika dia nitondra ny teny fisaorana ny avy amin’ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny RVS sy ny fianakaviana.
Mpanao Gazety isika, iray vatsy, iray aina.
« Fisaorana sy fankasitrahana
« Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra ».
Fisaorana sy fankasitrahana no atolotray mpiara-miasa amin-dratompokovavy NASOAVINA Emilie eto amin’ny RVS sy ny fianakaviany, ho anareo tapaka sy namana, mpiray monina, olom-pantatra, tonga nidodododo tsy naha lavi-tany raha nandre ny voina nihatra ka nitondra ny teny fampiononana ,nifampahery sy niara nizaka ny alahelo taminay. Satria tokoa ,ny mavesatra ifampizarana hono mora zaka ary fahoriana hiaraha-mitondra toa maivana. Tsara levenana ny maty ary henin-kaja ny velona.
Tsy ho voavalinay mpiara-miasa amin-dratompokovavy sy ny fianakaviany izany rehetra izany, fa ao Andriamanitra manan-karempahasoavana hamaly fitia sy hanonitra avo zato heny ny fotoana lany sy ny vola aman-karena izay nafoinareo rehetra ireny.
Isaorana ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nosoloin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera ao Bongolava sy Matsiatra Ambony, tena. Isaorana ihany koa ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara fa tena mahay miray hina sy mifanampy ary mifampitsinjo tokoa ny mpanao gazety rehefa amin’ny andro sarotra andaozan’ny namana tahaka izao.
Tsy ho voavalinay ihany koa izany fa Andriamanitra homba sy hitahy anareo rehetra ,ho lava andro hiainana ho vy vato aman’aina ary ho ela velona anie ny asa fanaovan-gazety. Mankasitraka tompoko.
HANDRY AM-PIADANANA ANIE IZY ARY HO LASAN’IZAY NY RATSY REHETRA FA NY SOA SY NY TSARA NO HIFANODIAVANTSIKA. »

Tojo tsy fahasalamana ny mpanao gazety Ony Rambelo.

Raha araka ny fampitana avy amin’ireo namana sy akaiky azy dia ao amin’ny hopitaly HJRA hiatrika fandidiana maika izy. Noho izany: manentana ny fifanohanantsika amin’ny vady aman-janany. Isika rehetra izay terem-panahy ka hanome izay voarambin’ny tanana dia azontsika alefa mivantana amin’ny laharana 0340255424 (mivantana amin’ny vady aman-janany) izany.

Mpanao gazety: iray ihany isika. Iray vatsy, iray aina. Mifanohana amin’ny rehetra na amin’ny tsara fa indrindra amin’ny sarotra.

Sary: Facebook Ony Rambelo.