Blog

𝟬𝟯 𝗠𝗔𝗬: 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗘𝗥𝗔𝗡-𝗧𝗔𝗡𝗬 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗟𝗔𝗟𝗔𝗛𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡-𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬

Ry mpanao gazety namana,
Faly miarahaba antsika mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy sy maneran-tany amin’izao Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izao.

Ry mpanao gazety namana,
Faly miarahaba antsika mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy sy maneran-tany amin’izao Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izao.
Voalohan-teny dia ny fisaorana an’Andriamanitra nanome antsika tombon’andro sy nitantana antsika, miaraka manamarika izany.
Hataoko mifandraika amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny lahateniko, noho isika miresaka ny fahalalahan’ny asantsika.
Ka vaovao telo no hoentiko hozaraiko anio, hoampitaiko amin’ny alalan’ilay fomba famoahana vaovao 5W, efa diso haintsika mpanao gazety loatra.
Handeha ary isika hiditra amin’ny antsimpiriam-baovao. Vaovao voalohany: What ? na inona. Nihemotra ny laharan’I Madagasikara eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, raha ny tatitra navoakan’ny Reporters Sans Frontières na RSF satria raha tany amin’ny laharana faha-zato isika amina firenena 180 nanaovana ny fanadihadiana tamin’ny taona 2024, dia nihemotra lasa any amin’ny faha-113 isika tamin’ity taona ity, ka saika nahitana fihemorana avokoa ny tondro politika, toekarena, sosialy. Tatitra izay tsy nandalo aloha, fanamarihana kely, tsy nandalo nanao fanadihadiana na nakana ny hevitry ny OJM izay rafitra faritan’ny lalana hampiroborobo ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Fa na izany aza,
Who na iza ? Iza no mahatonga an’izany. Dia izao, ho an’ny OJM, mampitodika ireo rehetra voakasiky ny asa fanaovan-gazety handinika sy hisaina lalina ny amin’ny hanatsarana ny kalitaon’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara izany. Isika mpanao gazety, sao avy amintsika ihany sanatria no mampihemotra noho ilay fanaovana auto-censure voaterin’ny antony samihafa. Ny tompona orinasan-gazety, sao anisan’ny mampihemotra azy nohon’ny fampifangaroana diso tafahoatra ny politika amin’ny asa fanaovan-gazety. Ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, sao koa anisan’ny mampihemotra azy noho ny antony tahotra ny seza ve sanatria ? Samia isika mandinika, satria ampahatsiahivina fa zo fototry ny olompirenena ny zo hahazo vaovao ary amina tany demokratika toa an’I Madagasikara dia anisan’ny singa iray miantoka ny fisian’ny famatsiam-bola ny fanajana ny fahalalahana maneho hevitra ary indrindra ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Where na aiza ? Aiza ny vahaolana. Mahavelombolo ny nandre ny filazan’ny Tale jeneralin’ny Serasera fa misokatra malalaka ny varavarany handray ny mpanao gazety, na iza na iza, tsy manavaka, dia misaotra anao fa ataonay ho zava-dehibe izany, fanokafana fiaraha-miasa izay antenainay fa hanampy anay ho amin’ny fanamorana ny fahazoana vaovao avy amin’ireo loharanom-baovao hahazoanay mampisitraka ilay zon’ny olompirenena hahazo vaovao.
Raha ny tatitra tonga aty amin’ny OJM mantsy dia misy amin’ireo Minisitera no manakatona varavarana tsy manome vaovao ho an’ny mpanao gazety, saingy arakaraka ny mampikatona ny loharanom-baovao no mampisokatra maha mora sy haingana ny fiparitahan’ny vaovao tsy voamarina, izay loza ho an’ny fiarahamonina. Fa ho antsika mpanao gazety koa, mifanindran-dalana amin’ny zo ny adidy sy ny andraikitra. Hajao ny tandro hasina sy ny malin’asan’ny asa fanaovan-gazety na ny éthique sy ny déontologie. Aza araraotina ny fahefana omena antsika, mba tena hoampiasaina ho amin’ny tombontsoam-bahoaka, na eo aza ny ligne éditorialen’ny orinasan-gazety iasantsika fa tsarovy fa olompirenena ihany koa aloha isika vao mpanao gazety, ka mipetraha eo amin’ny toeran’ny olona mihaino, na mijery, na mamaky antsika dia mahaiza mandanjalanja ny vaovao omena azy ireny. Andao hahatsiaro fa tena tompon’andraikitra ihany koa isika eto amin’ity firenena ity. Tompon’andraikitra amin’ny vaovao avoakantsika sy ny fiantraikan’izany amin’ny fiarahamonina.
Hiditra amin’ny vaovao faharoa indray ary isika izao.
When na oviana na rahoviana ? Taona 2025. “Fampitam-baovao anaty tontolo sarotra lalovan’izao tontolo izao. Ny fiantraikan’ny ilontsaina artifisialy eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny orinasan-gazety ». Izay no lohahevitra nofaritan’ny UNESCO hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety na ny JMLP.
How na amin’ny fomba ahoana ? Io dia tsy misy hevitra fa dia efa tsy maintsy miaraka miaina amin’ny ilon-tsaina artifisialy isika mpanao gazety. Mety ho ambana izy nefa mety ho irika fanararaotra ihany koa. Ambana izy na menace satria vitany ny asa fanaovan-gazety raha asaina ataony. Ambana ihany koa izy satria ahiana hampiroborobo ny fanaparitahana vaovao diso, izay toa miha mahazo vahana amin’izao vanim-potoana izao. Azo raisina ho irika fanararaotra ihany kosa nefa izy, raha ampiasaina ho amin’ny fanamarinana vaovao, na ampiasaina ho amin’ny fanatsarana ny endriky ny famoahana vaovao noho ny teknolojia efa tena mivoatra be. Ka izao, mbola misarika ny saintsika mpanao gazety ihany aho eto. Asa masina ny asantsika. Mihoatra antsika ny ilontsaina artifisialy noho izy heverina ho manana antontan-kevitra marobe lavitra noho isika. Nefa izao, mbola olombelona, mbola isika no mamoky vaovao azy, mbola isika no manamboatra azy. Koa andao ampiasaina ho amin’ny fikendrena ny tombontsoam-bahoaka, fototry ny asantsika izy io fa tsy sanatria ho isika mpanao gazety indray no hamoromporona zavatra tsy misy, na hamadibadika ny vaovao marina amin’ny alalan’ny IA, sanatria hoentina hampisaraham-bazana na sanatria hoentina hanakorontanana. Ethique et déontologie ! Samia sarotiny. Ilontsaina artifisialy io, isika ilontsaina ara-boajanahary. Mahay mandanjalanja, manana fisainana ara-boajanahary. Andao hampitomboana ny fahalalana. Tsy afaka misaraka amin’ny teknolojia isika koa andeha hotrandrahana izany hanatsarana hatrany ny asantsika. Tsy ho sasatra hanamafy ny fahaiza-manao, tsy voatery hiandry ny OJM na anatin’ny asany aza izany fa hanana saina tia karokaroka, tia mivoatra, manolotra ny tsara kokoa hatrany ho an’ireo mpanjifa ny vaovaontsika.
Iny ihany koa no hiampitantsika ho amina lafim-baovao hafa tanteraka mihitsy mialoha ny hanakatonana izao lahateny izao. Ny fankasitrahana.
Why na fa maninona, mbola 5W ihany mialoha ny hamaranana azy. Mifarana ihany koa amin’ity taona 2025 ity ny fe-potoam-piasan’ny birao mitantana ny OJM. Koa ankasitrahako etoana sahady ireo mpikambana rehetra. Misaotra anareo. Niaraka niasa tao anatin’izay efatra taona izay. Maro ny sedra, maro ny zava-bita saingy tsy mbola fotoana fitanisana izany aloha izao fa fanolorana fankasitrahana feno. Fankasitrahana ihany koa ho antsika mpanao gazety, manao ny aintsika tsy ho zavatra, mikendry mandrakariva toy ny anakandriamaso ny hasin’ny asantsika, ireo rehetra tonga tany Morondava, nahitana solotena avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Androy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinagny, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Analamanga, Betsiboka, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Amoron’I Mania.
Fankasitrahana ireo rehetra nifanome tanana, namatsy vola, nanolo-tanana, nizara traikefa, nahatontosana ireo telo andro nanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny asa fanaovan-gazety teto Morondava. Fankasitrahana ny ray aman-dreny mpiahy dia ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay tarihin-dRamatoa Minisitra Mara Volamiranty Donna, mikarakara ny mpanao gazety, niaraka nifanotrona sy nikarakara taminay ny hetsika rehetra taty ary angatahanay fiaraha-miasa sahady ihany koa ho an’ny fifaninanana ara-panatanjahantena Intermédias iray eny an-kianja izay hotontosaina indray any Antananarivo, amin’ny 10 mey 2025.
Fankasitrahana ho an’ireo rehetra manome lanja ny asa fanaovan-gazety ary mahatsapa, manao ho zava-dehibe ny hoe mitondra ho amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny vaovao avoakan’ny mpanao gazety. Sitraka hoenti-matory tompoko, hovaliana raha mahatsiahy nefa koa Fankasitrahana ireo manenjika ny mpanao gazety satria vao mainka manamafy ny herinay ny fanenjehana anay, saingy saingy ry mpanao gazety namana, tandremo, anatin’ny fanajana ny lalàna hatrany no anatanterahana ny asa. Tandrovy ny hasin’ny asantsika. Koa raha enjehina ao anatin’izany isika dia mifalia fa misy tombontsoa manokana voatohintohina any ary fikendrena ny tombotsoam-bahoaka koa ny antsika fa tsy sanatria tombontsoan’ny paosy. Tandremo a. Ny farany fa tsy ny kely indrindra, fisaorana mitafotafo ny mpanao gazety eto Morondava, ny ato amin’ny faritra Menabe, misaotra anareo mandray anay fa nahavita ianareo. Marobe izahay no tonga fa tena nokarakarainareo, tena Menabe mahay mandray vahiny.
Izany rehetra izany dia mba ho amin’ny fanatrarana ny vina nofaritan’ny OJM dia ilay hoe “Mpanao gazety matihanina, miray hina ho amin’ny fampandrosoana”.
Ho ela velona anie ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara !!!
RASOLOARISON H. Monica