AJAPM

AJAPM

Tafajoro aram-panjakana omaly Alatsinainy faha 12 Septambra taona 2022 ny fikambanana ivondronan’ireo mpisan’ny Radio tsy miankina amin’ny Fanjakana eto Manakara antsoina hoe AJAPM na ny Association Amicale des Journaliste et Animatechs Privés de Manakara ,izay tarihan’ny Atoa filoha Favy Joselito na i Fang’s,ka ahitana ny mpanao gazety ,ny mpanentana fandaharana ary ny Teknisianina avy amin’ny Radio Zanagasy,Radio MBS,Radio RVS, Radio Ravinala , Radio Rakama ,BR radio ary Freelance.

Ny hisian’ny firaisan-kina sy fifampizarana fahaiza-manao, ny fampitoviana sy fampiakarana avo ny kalitao amin’ny asa atao,ka handray anjara mivantana na ankolaka amin’ny asa fampandrosoana ara-sosialy,izay hiapaka any amin’ny mpiara-monina na ny mpihaino no tanjona ijoroan’ity Fikambanana ity