Blog

Voinkava-mahatratra

Voin-kava-mahatratra.
Maro amin’ireo mpanao gazety manatanteraka ny asany no traboina vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai.
Miombom-po aminareo ny OJM. Misaotra manokana, mahery fo ianareo satria niantsorohanareo ny adidy masina maha-mpanao gazety. Tsy nitsahatra niasa nikaroka sy nampita vaovao ianareo, na dia traboina aza.

Koa manentana antsika, mpanao gazety rehetra, namana sy tapaka, mpiara-miasa amin’ny mpanao gazety, hanolo-tanana, hanao fitia tsy mba hetra. Hanampiana ny mpiray vatsy, mpiray aina amintsika, dia ireo mpanao gazety niharan’ny takaitran’ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai.
Fotoana toy izao no ahatsapana ny maha-manan-danja ny asan’ny mpanao gazety amin’ny fampitana ny vaovao, ho an’ny zon’ny olom-pirenena hisitraka izany.
Koa mankasitraka antsika ny amin’ny fanaovana tsipaipaika, ifampizarana, izay azo arotsaka amin’ny compte MVOLA 0343784906, misoratra amin’ny anaran’ny Filohan’ny OJM.
Ankasitrahana raha mba faritana mazava ny antony rehefa mandefa izay azontsika atolotra. Hampahafantarina sy havoaka ho mangarahara ihany koa ny fitantanana izany.
« Mpanao gazety matihanina, miray hina ho amin’ny fampandrosoana »
Natao teto Antananarivo, anio Alahady 6 Febroary 2022.
Ny biraon’ny OJM.
(c): sary indrana.
[aigpl-gallery id= »10981″]