Blog

📍𝗞𝗔𝗥𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗗𝗜𝗔𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗧𝗘𝗟𝗢
Hatomboka ny talata 𝟭𝟬 𝗼𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟯 ny fizarana ny karatra maha-mpanao gazety matihanina, andiany fahatelo.
➡️Ho an’ny eto Antananarivo, azo raisina eny amin’ny foibe toeran’ny Ordre des Journalistes de Madagascar eny 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗱𝗮𝗵𝘆 ny karatra, manomboka amin’ny 𝟵𝗼𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗿𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗸𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝟭𝟮𝗼𝗿𝗮 𝟯𝟬 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼.
➡️Ho an’ny faritra ivelan’Analamanga, halefa any amin’ny filoha lefitry ny OJM isam-paritra ny karatra, manomboka io talata io ihany koa.
👉𝘈𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘵𝘴𝘪𝘢𝘩𝘪𝘷𝘪𝘯𝘢 𝘪𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘩𝘢𝘯𝘥𝘰𝘢 𝘯𝘺 𝘴𝘢𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘢𝘳𝘢𝘵𝘳𝘢 20000𝘢𝘳𝘪𝘢𝘳𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢 𝘪𝘰 𝘧𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰, 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘦𝘧𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺, 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘢𝘰𝘯𝘵𝘺 𝘔𝘝𝘖𝘓𝘈 0340132201 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘯’𝘪 𝘝𝘰𝘯𝘰𝘯𝘢 𝘙𝘢𝘬𝘰𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘵𝘴𝘪𝘮𝘣𝘢. 𝘈𝘴𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘢𝘳𝘢𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘻𝘺 𝘴𝘺 𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘮𝘴 𝘮𝘪𝘭𝘢𝘻𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘢𝘴𝘢𝘯𝘢.
Mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny fanehoan-kevitra sy fampitam-baovao amina tambazotra sosialy. Manantitra ireto fampahatsiahivana manaraka ireto ny Ordre des Journalistes de Madagascar :
▪️ Ny mpanao gazety dia ny olona mpamoaka vaovao amina orinasa manana ny sata ara-dalàna maha-orinasa fanaovan-gazety azy, na manana fanamarinana hoe « free-lance » ka mivarotra ny asa ataony amina orinasa manana sata ara-dalàna ho orinasa fanaovan-gazety (na an-tsoratra, na am-bava, na an-tsary, na amin’ny « internet »).
𝑵𝒐𝒉𝒐 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚, 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒔𝒂𝒍𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒎𝒊𝒂𝒏𝒂, 𝒏𝒂 𝒌𝒐𝒂 « 𝒃𝒂𝒅𝒈𝒆 » 𝒂𝒏𝒂 𝒐𝒓𝒊𝒏𝒂𝒔𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒂𝒕𝒂 𝒂𝒓𝒂-𝒅𝒂𝒍à𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒂 𝒐𝒓𝒊𝒏𝒂𝒔𝒂 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒐𝒗𝒂𝒏-𝒈𝒂𝒛𝒆𝒕𝒚, 𝒏𝒂 𝒇𝒊𝒉𝒊𝒓𝒂𝒉𝒊𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒎𝒑𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒈𝒂𝒛𝒆𝒕𝒚 𝒅𝒊𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒊𝒅𝒊𝒌𝒂 𝒗𝒆𝒍𝒊𝒗𝒆𝒍𝒚 𝒇𝒂 𝒎𝒑𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒈𝒂𝒛𝒆𝒕𝒚 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒐..
▪️Raha ny lalàna manan-kery dia tokony hanana karatra maha mpanao gazety omen’ny OJM ireo izay mpanao gazety mahafeno fepetra. Ho an’ireo izay vao manomboka ilay asa kosa, dia ny karatra homen’ny orinasa fanaovan-gazety mijoro ara-dalàna ihany no manan-kery.
𝑵𝒚 𝒎𝒑𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒈𝒂𝒛𝒆𝒕𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒇𝒆𝒏𝒐 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒇𝒆𝒑𝒆𝒕𝒓𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒊𝒉𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒐 𝒂𝒓𝒐𝒗𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒍𝒂𝒍à𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒇𝒆𝒉𝒚 𝒏𝒚 𝒔𝒆𝒓𝒂𝒔𝒆𝒓𝒂 𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒊𝒏𝒐, 𝒗𝒂𝒌𝒚, 𝒋𝒆𝒓𝒚.
▪️Fehiny, tsy ny pejy amin’ny tambazotra sosialy na ny « site web » rehetra no pejy famoaham-baovao voasokajy ho « presse en ligne ».
𝑻𝒔𝒚 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒐 « 𝒑𝒖𝒃𝒍𝒊𝒄𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏 », 𝒏𝒂 𝒎𝒑𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒈𝒂𝒛𝒆𝒕𝒚 𝒕𝒂𝒍𝒐𝒉𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒊𝒍𝒂𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒊𝒏𝒕𝒔𝒐𝒏𝒚, 𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒐 « 𝒎𝒊𝒍𝒊𝒕𝒂𝒏𝒕𝒊𝒔𝒎𝒆 », 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒂𝒕𝒂 𝒎𝒂𝒉𝒂- 𝒎𝒑𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒈𝒂𝒛𝒆𝒕𝒚 𝒂𝒗𝒐𝒌𝒐𝒂.
▪️ Rehefa tsy hita ny « Directeur de publication » sy ny « rédacteur en chef », ohatra hoe any ivelany, dia ny mpanao gazety no tompon’andraikitra manoloana ny lalàna.
▪️Ny « publication » amina kaonty na pejy manokana, na koa ny « commentaire » tsy tandrina amina « publication » an’olona amin’ny pejy manokana dia tsy arovan’ny lalàna mifehy ny serasera momba ny haino, vaky, jery.
‼️𝗧𝘀𝗶𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗮𝗸𝘆 𝗔𝗗𝗜𝗗𝗬 𝘀𝘆 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗞𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗮𝗿𝘆 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗜𝗭𝗔-𝗠𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮, 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝘀𝗮𝘁𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗺𝗮𝘁𝗶𝗵𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮..

📍 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆.

Miantsoroka andraikitra sarotra, mihatra aman’aina ny mpanao gazety, manatanteraka ny asany, mandrakotra ny fihetsiketsehana politika toy ny iainan’ny firenena amin’izao vanim-potoana izao. Mankahery manokana ny mpanao gazety ny Ordre des Journalistes de Madagascar.

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔

Nisy ny tafa ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny alakamisy 14 septambra 2023. Nisy mpanao gazety nanaitra ny Ordre des Journalistes de Madagascar , ny amin’ny nisiana fanavakavahana mpanao gazety navela niditra nanatrika ny tafa.

Manoloana izany indrindra dia manao izao fanambarana izao ny Ordre des Journalistes de Madagascar :

Iantohan’ny andininy faha-11 amin’ny Lalàmpanorenana malagasy sy ny Lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery eo amin’ny andininy faha-7 sy faha-60 ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon’ny mpanao gazety halalaka hitrandraka vaovao. Koa MANAMELOKA ny endrika fanavakavahana sy fanakantsakanana mpanao gazety amin’ny fahafahany mikaroka vaovao ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara.

Melohina ho fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny toy izany. Manantitra hatrany misarika ny sain’ny rehetra ny amin’ny asa masina iandraiketan’ny mpanao gazety, dia ny hampisitraka ny zo fototry ny olompirenena hahazo vaovao marina sy voamarina ary azo hamarinina, na inona na inona ny orinasan-gazety sy ny fironana politikan’ny orinasan-gazety iasany.

Manantitra ihany nefa mampahatsiahy ny mpanao gazety, hanaja ny tandro hasina sy ny malin’asan’ny asa fanaovan-gazety izay voafaritry ny andininy faha-58 amin’ny Lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery, tsy hamilivily ny vaovao ho amina tombontsoa manokana, ankoatry ny tombontsoam-bahoaka, indrindra amin’izao vanim-potoana mampafana ny raharaham-pirenena izao.

« 𝙈𝙥𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙜𝙖𝙯𝙚𝙩𝙮 𝙢𝙖𝙩𝙞𝙝𝙖𝙣𝙞𝙣𝙖, 𝙢𝙞𝙧𝙖𝙮 𝙝𝙞𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙨𝙤𝙖𝙣𝙖 »

Natao teto Antananarivo, ny 14 septambra 2023.

Ny Filohan’ny OJM RASOLOARISON Monica

📌Mpanao gazety 21 anatin’ny Faritra Amoron’i Mania no namaly ny antso, nandray anjara tamin’ny atrikasa, nokarakarain’ny FID (Fonds d’Intervention pour le Développement), ho fampahafantarana ny antsoina hoe « Protection Sociale » na fiahiana ara-tsosialy, ny alakamisy 22 jona 2023.

1 2 3 13