Blog

Fanofanana mpanao gazety amin’ny fikirakirana ny vaovao

Tafiditra anatin’ny fandaharanasan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) amin’ity taona 2022 ity ny fanofanana mpanao gazety amin’ny fikirakirana ny vaovao amin’ny tontolon’ny fifidianana, izay iarahana amin’ny fiarahamonim-pirenena, hoy ny filohan’ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo.

Tsy maintsy atao amin’ity taona ity izany, hoy izy, tany Farafangana, raha namaly ny fangatahan’ny filoha lefitry ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) faritra Atsimo Atsinanana ny amin’ny tokony hisian’ny fiaraha-miasan’ny CENI sy ny OJM amin’ny fampitomboana traikefan’ny mpanao gazety.
Tafiditra anatin’ny ezaka fanatsarana ny serasera sy fampitam-baovao ary fanentanana ho an’ny olompirenena izany, hoy ny filohan’ny CENI, mba hananana fifidianana eken’ny rehetra sy tsy miteraka korontana.
Notsindriana teto fa ny fananana lisi-pifidianana ankasitrahin’ny rehetra no anisan’ny antoka ahafahana manatanteraka fifidianana madio. Izany no antony idinan’ny ekipan’ny CENI ifotony, manamafy ny fanentanana amin’ny fisoratana sy fanamarinana ny anaranan’ny mpifidy anaty lisi-pifidianana, sady mifampidinika amin’ny rantsa-mangaikan’ny CENI anivon’ny faritra sy distrika amantarana ny fanao efa mahomby sy lesoka mila arenina ary fampitaovana ilaina.
Marihina fa nanomboka ny 15 desambra teo ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Faritra roa no efa notsidihin’ny ekipan’ny CENI taorian’izany dia ny faritra Itasy sy Atsimo Atsinanana.
[aigpl-gallery id= »10077″]
Source: Dépêche Informative Taratra.