Blog

HETSIKY NY VEHIVAVY MPANAO GAZETY TOAMASINA

Ankoatra ny asa andavan’andro hiantsorohany, mahatsiaro manana adidy ihany koa amin’ny maha olom-pirenena azy ireo ny mpanao gazety amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana.

Nisafidy manokana ny fitsidihana ireo vehivavy voafonja ao amin’ny Fonjan’Ambalatavoangy Toamasina ireo mpanao gazety vehivavy any an-toerana, ny 28 Desambra lasa teo. Ity ihany koa no hetsika ara-tsosialy voalohany nataon’ny vehivavy mpanao gazety any Toamasina. Tanjon’izy ireo ao anatin’izany hetsika izany ny fanamafisana ny firaisain-kina, indrindra ao anatin’ny VMT izay hivondronan’ireo mpanao gazety vehivavy ireo.
Nisy ny fanolorana tamin’ireo vehivavy voafonja, vary, menaka, sira sy ny sisa hiatrehan’izy ireo ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Nisy ihany koa ny famendrahana ranom-panafody tao amin’ny toerana misy ireo vehivavy voafonja satria zava-dehibe ny fahadiovana ary mbola ao anatin’ny ady amin’ny coronavirus rahateo isika amin’izao fotoana izao.
[aigpl-gallery id= »10064″]