Blog

AMBATONDRAZAKA FIOFANANA ANDIANY VOALOHANY

🎙️Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny asa fanaovan-gazety ka manana andraikitra goavana ireo mpanao gazety hizara vaovao marina sy mahaliana ary ilain’ny mponina.

🎙️Tontosa ny alakamisy 01 septambra 2022 tao amin’ny tranobe MASINJARA Ambatondrazaka ny fampiofanana maimaimpoana andiany voalohany manodidina ny asan-tserasera sy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety niarahana tamin’Andriamatoa RADAVIDSON izay efa nitana andraikitra maro teo amin’ny sehatry ny haino vaky jery, hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety eto an-toerana sy nampianarana ireo mpianatra liana amin’ny asan-tserasera.
🤝 Ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina niaraka tamin’ny Holafitry ny mpanao gazety eto amin’ny faritra Alaotra Mangoro no nikarakara ny hetsika, nisy ny fifampiresahana teo amin’izy ireo sy ny mpampiofana ka hitohy izao fizarana traikefa izao araka ny fangatahan’ireo mpiofana.
©️ DRCC Alaotra Mangoro