Blog

ANDRO IRAISAMPIRENENA HO AN’NY ZON’NY VEHIVAVY SY NY ASA FANAOVAN-GAZETY

ANDRO IRAISAMPIRENENA HO AN’NY ZON’NY VEHIVAVY SY NY ASA FANAOVAN-GAZETY Nahazo fanasàna, anisan’ireo nanatrika ny 8 martsa, Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy, nandritra ny fanamarihana ofisialy, tany Vakinankaratra, ny OJM.

Vehivavy mpanao gazety manodidina ny telopolo eo ho eo, nahitana solotenan’Analamanga, Vakinankaratra, Melaky, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, notarihin’ny filohan’ny OJM, RASOLOARISON H. Monica no nisolo tena ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, tany an-toerana. Ankoatry ny ofisialy, nisy ihany koa ny fanamarihana isam-paritra, nahitana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy mpanao gazety. Miisa 491 ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara, voaisa, tamin’ireo 1500, nahazo karatra maha matianina, andiany voalohany, nozaraina teo. Izany hoe, vehivavy ny 32% amin’ny mpanao gazety eto Madagasikara, araka io fanisana io, ka ny ao amin’ny faritra Analamanga no ahitana ny maro an’isa indrindra. Nampifandraisin’ny filohan’ny OJM amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny maha vehivavy, tamin’ny lohahevitry ny fanamarihana, ny hafatra nampitainy ho an’ny vehivavy mpanao gazety, ho an’ny 8 martsa 2022, araka izao manaraka izao : « Viavy miavotse… » : tsy miankin-doha, manana ny asa maha mpanao gazety «…miatrika sy mifanampy… » : miatrika adidy sy andraikitra, sarotra, sady mpanao gazety no vady, reny, ho reny. Mifanampy, apetraka ambonin’ny fahefana rehetra ny fitiavana « …taratry ny fitovian-jo sy antoky ny fampandrosoana lovain-jafy » : mpanao gazety vehivavy, mametraka ny ho avin’ny taranaka amin’ny alalan’ny asa. Nanentanany ho amin’ny fanamafisana ny fandraisana andraikitra, hampandroso. (Cf FB OJM) Niara-nientana tamin’ny fanomanana ny fanamarihana ofisialy, ireo lehilahy, mpikambana amin’ny biraon’ny OJM ao Vakinankaratra, tarihin’ny filoha lefitra Tobiaritiana Nofidiantsoa Tsinjomahenina. Toy izao ny antontanisa mpanao gazety vehivavy isam-paritra, raha ny fanisana ireo nahazo karatra andiany voalohany.

ANALAMANGA 222 -ALAOTRA MANGORO 32 -ATSINANANA 28 – BOENY 25 -MATSIATRA AMBONY 23 – ATSIMO ANDREFANA 20 – DIANA 17 -VAKINANKARATRA 13 -BONGOLAVA 13 -ATSIMO ATSINANANA 11 – MENABE 10 -IHOROMBE 10 -SAVA 9 -AMORON’I MANIA 9 -SOFIA 8 -ANOSY 6 -FITOVINANY 6 -BETSIBOKA 6 -ITASY 5 -MELAKY 5 -VATOVAVY 5 -ANALANJIROFO 4 -ANDROY 4

[aigpl-gallery id= »14077″]