Blog

Andro voalohan’ny famoahana ny karatra maha matihanina

Araka ny efa nampahafantarina : nanomboka androany 16 febroary ny fizarana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety.
– Zato teo ho eo isika no tonga. Mankasitraka antsika tonga maro naka izany sahady, tamin’izao andro voalohany izao. Maneho ny maha-zava-dehibe ny fananana ny karatra, izay isitrahantsika ny zo voalazan’ny lalàna sy ireo fifanekena iraisam-pirenena momba ny asa fanaovan-gazety.


– Efa maro ihany koa ireo nandrotsaka ny latsakemboka 10.000ar isan-taona hampiodinana ny asa ankapoben’ny OJM.
Maimaim-poana ny karatra, izay iantohan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fanontàna azy.
– Ampahatsiahivina fa mitohy ny fakana ny karatra etsy amin’ny birao foiben’ny Ojm etsy Ambohidahy Enceinte Trano Sary, (9ora-2ora, alatsinainy hatramin’ny zoma) ho an’ny eto Analamanga. Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fandaminana amin’ny fandefasana ny any amin’ny faritra amin’ireo birao.

– Manomboka ka hitohy hatramin’ny 31 martsa ny fametrahana ny antontan-taratasy fangatahana karatra ho an’ireo mahafeno fepetra kanefa tsy nahazo izany tamin’ity andiany ity.
Torak’izany ihany koa ny fangatahana « laisser-passer » ho an’ny fitaovam-pitaterana ampiasaintsika amin’ny asa.

Ho an’ireo manana fanamarihana, aza misalasala manatona ny biraon’ny OJM fa misokatra ho antsika rehetra ny fandavorariana ity sehatra iasantsika ity.