Blog

Asa fanaovan-gazety sy ny fikarakarana endrika amam-bika

Asa fanaovan-gazety sy ny fikarakarana endrika amam-bika:
Mandalo eto an-tanindrazana RAZA Ellys, « Miss Madagascar 1990 », monina sy miasa any Frantsa.
Misehatra eo amin’ny fikolokoloana endrika amam-bika izy, amin’ny alalan’ny fampiasana ny akora voajanahary misy eto amintsika, toy ny katrafay sy masonjoany.


Te hizara traikefa sy fahalalana ho antsika mpanao gazety i Ellys, hampianatra antsika momba izany, ka manome fotoana antsika, amin’ny alarobia 6 aprily, amin’ny 10ora hatramin’ny 12ora etsy amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy.
Afaka miantso ny laharana 0340551607, isika izay liana.

Hatramin’ny talata 5 aprily amin’ny enina ora hariva ny fara-fandraisana momba izany.
Ho antsika any amin’ny faritra hafa ivelan’Analamanga, hisy ny « vidéo intégrale » halaina sy hampitaina ao amin’ny tranonkalam-pifandraisan’ny OJM, www.ojm.mg.
© Charles Raza