Blog

Birao OJM Vakinankaratra nizara traikefa

Birao OJM Vakinankaratra nizara traikefa

Nitondra fampahafantarana mahakasika ny Holafitry ny Mpanao Gazety tamin’ireo mpianatry ny Oniversite Advantista Ambohibary Sambaina ny Biraon’ny OJM eto Vakinankaratra.

OJM Vakinankaratra

Tanjona ny hahaizan’ireo mpianatra dieny aty am-piandohana ny maha asa masina ny fanaovan-gazety sy ny miandry azy rehefa tafiditra ao anatin’ny sehatra maha matihanina ao aorian’ny fianarany. Ankoatry ny zo azon’ny tsirairay sitrahana, mivondrona ao anatin’ny Holafitra, nampidirina ao an-tsain’ireo npianatra ihany koa ny tokony hanajany fatratra ny tandro hasina (éthique) sy ny deontolojia rehefa miditra amin’ny sehatry ny maha matihanina izy ireo, ao aorian’ny fahavitan’ny fianarana. Anisany handray anjara amin’ny adihevitra, ny mpianatra ho mpanao gazety eto Vakinankaratra ny 03 may ho avy izao, ka hanana solontena ny Oniversite Advantista ary ho antsoina ihany koa ireo avy amin’ny oniversite hafa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana.

Tanjona ny hahaizan’izy ireo sahady mametraka ny toerany amin’ny asa fanaovan-gazety sy maka traikefa amin’ireo efa am-perinasa. Hanatsarana ny ho avin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.

Source : VP OJM Vakinankaratra