Blog

Direction Régionale de la Communication et de la Culture Alaotra Mangoro

Fizarana karatra ho an’ny mpanao gazety
Mpanao gazety 99 no nahazo karatra maha-matianina eto amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Ny zoma 11 martsa 2022 no nizarana izany teto amin’ny « espace ZARY Tanamandroso » ho an’ny eto Ambatondrazaka sy Amparafaravola ary Andilamena, izay notontosain’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety eto amin’ny faritra niaraka tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Nanome voninahitra izao fotoana izao ny Solombavambahoaka José Alain RAKOTONDRAZAFY sy ny Filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna eto amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka.

Mbola afaka manao fangatahana eny anivon’ny holafitra ireo mpanao gazety tsy nahazo karatra tamin’ity andiany ity, manana 12 volana itadiavany asa kosa ireo nahazo karatra nefa nikatona ny orinasa niasany. Tamin’ity andro ity ihany koa no nifampiarahabana tamin’ny nahatratrarana ny taona 2022.

Source : https://www.facebook.com/Direction-Regionale-de-la-Communication-et-de-la-Culture-Alaotra-Mangoro

[aigpl-gallery id= »14177″]