Manoloana ny fandrahonana hitifitra amin’ny basy sy fanimbana ny fitaovana fiasana izay nihatra tamin’ny mpanao gazety iray tao amin’ny tetezana Kalandy, Distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, ny alahady 24 jolay 2022 dia manameloka ny endrika herisetra rehetra atao amin’ny mpanao gazety, eo am-panatanterahana ny asany ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
Mampahatsiahy ireto andinin-dalàna ao amin’ny Lalàna 2020-006 mifehy ny Serasera amin’ny haino vaky jery, manaraka ireto.



Koa manentana ny tsirairay handray ny andraikitra manandrify azy manaraka ny voalazan’ny Lalàna. Tsikaritra mantsy tato ho ato ny tsy fanajana ny fahalalahan’ny mpanao gazety, indrindra ireo mpaka sary, manatanteraka ny asany.
Efa nametraka fitoriana ilay mpanao gazety niharan’ny herisetra. Andrasana ny tohiny.
Ny Filohan’ny OJM
RASOLOARISON Monica