Blog

Faritra Fitovinagny Ny asa fanaovan-gazety sy ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza

Ilain’ny mpanao gazety ny fananana torohay mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza mialoha ny hanoratany sy mialoha ny hampahafantarany vaovao ho an’ny vahoaka.

Ireo no nisongadina tamin’ny atrikasa fifampizarana fanamafisana fahaiza-manao nositrahan’ireo mpanao gazety sy mpanentana fandaharana amin’ny haino vaky jery miisa 10 tany amin’ny faritra Fitovinagny, notanterahan’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahatena amin’ny alalan’ny departemantan’ny Tanora, sy ny BNGRC ny alarobia 23 Martsa 2022 tao amin’ny Maison des Jeunes, Manakara.

Nofaritana miaraka ireo paikady sy pitsopitsony amin’ny famoahana vaovao momba ny loza sy ny tandindon-doza sy ny fitantanana azy, ny tokony hataon’ny mpanao gazety manoloana ny vaovao izay tokony ho fantatry ny isan-tokantrano, ka ny tanjona dia mba hanana fijery manokana ireo samy mpanao gazety ka ho afaka hamoaka vaovao amin’ny endrika vaovao, mifototra amin’ny fahalalana ilay zava-misy mialoha, mandritra ary aorian’ny fahatongavan’ny rivo-doza. Anisan’ny andrasana amin’ireo mpanao gazety ihany koa ny fandraisana andraikitra avy hatrany, rehefa miverina any amin’ny toerana iasany ny tsirairay, mba hampihatra ny fahalalana norantovina.

Ny faritra Fitovinagny rahateo dia lasibatry ny loza voajanahary tahaka ny rivo-doza isan-taona, ka izany no anisan’ny antony nisian’izao atrikasa fifampizarana eo amin’ny samy mpanao gazety izao amin’ny lafiny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, hoy Nathan Mahaiavy, mpampiofana sady mpanao gazety rahateo.

[aigpl-gallery id= »14250″]