
Vita ny herinandro teo, tao anatin’ny firahalahiana tanteraka, ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny fikambanana ππΈππΈ ππΌπ»ππΈπ teo aloha namana LEVITA RenΓ© sy ny filoha vaovao namana ALAIN Vivier.
Niatrika izany ireo manam-pahefana aty amin’ny faritra SAVA notarihin’ny prefen’i Sambava Andriamatoa MADINA Francis Γmilien Romly.

Ny fanamafisana orina ny firaisankina eo amin’ny samy mpikambana sy ny fitsinjovana ny sosialin’ny mpikambana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpitondra no isan’ny vinan’ny filoha vaovao, mandritra ny telo taona hitantanany ny fikambanana.
ππΈππΈ ππΌπ»ππΈπ, ivondronan’ireo mpiasan’ny haino vaky jery aty amin’ny faritra SAVA, ahitana ny mpanao gazety, ny mpanentana fandaharana, ny teknisiana sns….ary efa mahatratra 120 ny mpikambana amin’izao fotoana.
ππππππππ-ππππππ ππ ππππ : ππππ΅ππΉπΈππ ππππππππ, ππππππππππ π΅ππππ ππ½π ππ΄ππ΄.