Ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara dia mankasitraka ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena mpanofana ho mpitsara sy mpirakidraharaha tamin’ny fialan-tsiny nataony tamin’ny mpanao gazety malagasy.
Manamafy ihany anefa ny voalazan’ny lalàna manan-kery ho an’ny rehetra, izay efa nataony tamin’ny FANAMBARANA FAMPAHATSIAHIVANA tamin’ity tranga ity:

Afaka mampiasa ny zony hamaly fitsikerana sy fanitsiana, alefa amin’ny talen’ny famoahana ao amin’ilay rantsana fanaovan-gazety voakasika, ao anatin’ny 15 andro manaraka ny famoahana vaovao nisy fanoherana, ny olom-pirenena mahatsiaro ho voatohintohina.


Ny Filohan’ny OJM
RASOLOARISON H. Monica