Blog

FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA MCC/OJM

Vita sonia ny 21 desambra 2021 ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny OJM sy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nanoloran’ny Minisitera efitrano hiasana ho an’ny biraon’ny OJM any amin’ny faritra sy efitrano hampiasain’ny mpanao gazety any amin’ny faritra, amin’ny alalan’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Hiantoka ny fandaniana ho amin’ny fanontàna ny karatry ny mpanao gazety ihany koa ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Karatra izay havoaka amin’ny volana janoary, ho an’ireo mpanao gazety 1509, tanatin’ny lisitra navoakan’ny CPC.
Hisokatra amin’ny volana Janoary ihany koa ny fandraisana ireo antontan-taratasy ho an’ireo mpanao gazety mahafeno fepetra, tsy tafiditra tanatin’ny lisitra. Natolotra tamin’ity fotoana ity ihany koa ireo antontan-taratasy an’ny mpanao gazety, nokirakirain’ny CPC.
[aigpl-gallery id= »10043″]