
Mpanao gazety sy mpanentana fandaharana 27 avy ao amin’ny distrikan’Antalaha sy Sambava, nanamafy traikefa momba ny fikirakirana vaovao miompana amin’ny zon’ny zaza, ny 30 sy 31 aogositra 2022, tany Antalaha.

Fiaraha-miasan’ny DRCC SAVA sy ny fandaharanasa Save the Children ary ny DRPPSPF SAVA.

Nasaina nandray anjara ihany koa ireo tompon’andraikitra voakasika mivantana amin’ny fiarovana ny zon’ny zaza : ny faritra SAVA, ny kaominina ambonivohitra Sambava, ny mpitandro filaminana.
Ankoatry ny fampahatsiahivana ankapobeny ireo lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety sy ny Zo fototry ny zaza dia nitondra famelabelarana mikasika ireo lalàna miaro ny zon’ny zaza ny Procureur de la République avy ao amin’ny TPI Antalaha .

Prisca KALOVAO, VP OJM SAVA