Blog

Nahavita ny fihazakazahany i Faly Manou.

FODIAMANDRY

Misaona  ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

Nodimandry anio marainan’ny Alahady 23 oktobra 2022, ny Mpanao gazety RAFALIMPANANTSOA Andrianirina Sarah, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Faly Manou.

Efa niasa tao amin’ny fahitalavitra Record TV, ary Mpanao gazetin’ny Les Nouvelles (vondrona Ultima Media) izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao, noho ny aretina nahazo azy.

Ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara dia miombon’alahelo ary mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo rehetra akaiky azy.