Blog

Nandao antsika ny namana RANDRIATOLOJANAHARY Roger

FODIAMANDRY
Namoy namana ny fianakaviamben’ny mpanao gazety. Nodimandry ny alin’ny zoma 3 febroary 2023, RANDRIATOLOJANAHARY Roger. Mpanao gazety, filoha mpanorina ny Radio Télévision Soavinandriana, faritra Itasy.

Anisan’ireo manaraka fiofanana momba ny asa fanaovan-gazety, karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, « Promotion FPJ 2022, niveau 2 » izy.
Efa voafidy solombavambahoaka tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana.
Miombom-po, mirary fiononana ho an’ny fianakaviany, ny mpiara-miasa, ny namana sy tapaka, ireo rehetra akaiky azy, nilaozany ny OJM.
Sary nindramina.