Blog

Nisy ny tafa ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo,

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔

Nisy ny tafa ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny alakamisy 14 septambra 2023. Nisy mpanao gazety nanaitra ny Ordre des Journalistes de Madagascar , ny amin’ny nisiana fanavakavahana mpanao gazety navela niditra nanatrika ny tafa.

Manoloana izany indrindra dia manao izao fanambarana izao ny Ordre des Journalistes de Madagascar :

Iantohan’ny andininy faha-11 amin’ny Lalàmpanorenana malagasy sy ny Lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery eo amin’ny andininy faha-7 sy faha-60 ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon’ny mpanao gazety halalaka hitrandraka vaovao. Koa MANAMELOKA ny endrika fanavakavahana sy fanakantsakanana mpanao gazety amin’ny fahafahany mikaroka vaovao ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara.

Melohina ho fanitsakitsahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny toy izany. Manantitra hatrany misarika ny sain’ny rehetra ny amin’ny asa masina iandraiketan’ny mpanao gazety, dia ny hampisitraka ny zo fototry ny olompirenena hahazo vaovao marina sy voamarina ary azo hamarinina, na inona na inona ny orinasan-gazety sy ny fironana politikan’ny orinasan-gazety iasany.

Manantitra ihany nefa mampahatsiahy ny mpanao gazety, hanaja ny tandro hasina sy ny malin’asan’ny asa fanaovan-gazety izay voafaritry ny andininy faha-58 amin’ny Lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery, tsy hamilivily ny vaovao ho amina tombontsoa manokana, ankoatry ny tombontsoam-bahoaka, indrindra amin’izao vanim-potoana mampafana ny raharaham-pirenena izao.

« 𝙈𝙥𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙜𝙖𝙯𝙚𝙩𝙮 𝙢𝙖𝙩𝙞𝙝𝙖𝙣𝙞𝙣𝙖, 𝙢𝙞𝙧𝙖𝙮 𝙝𝙞𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙨𝙤𝙖𝙣𝙖 »

Natao teto Antananarivo, ny 14 septambra 2023.

Ny Filohan’ny OJM RASOLOARISON Monica