Blog

Nodimandry i Denis RAJERISIA

Namoy namana mpanao gazety iray ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina DIANA. Nodimandry ny alahady 8 may 2022, tao Antsiranana, teo amin’ny faha 61 taonany i Denis RAJERISIA, mpiasam-panjakana misotro ronono.

Efa nitazona andraikitra maro teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera izy nandritra ny 25 taona, nanomboka ny 30 may 1996 hatramin’ny 30 may 2021. Mpanao gazety tao amin’ny Radiom-paritra Antsiranana izy; efa delegen’ny RNM-TVM Antalaha ihany koa. Taorian’izay dia voatendry ho lehiben’ny sampan-draharahan’ny Serasera tao Antsiranana ; Talem-paritry ny Serasera DIANA ihany koa ary Chef SAF teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina DIANA.
Mbola niasa amin’ny maha mpanao gazety izy izao nodimandry izao. Noho ny ratra nahazo azy tamin’ny lozam-piarakodia nitranga tao Maromokotra, Fokontany Angodorofo, Kaominina Ambanivohitra Beramanja, Distrikan’Ambilobe ny 25 aprily lasa teo no nitarika ny fahafatesany.
(S): DRCC DIANA.
Ny Holafitry ny Mpanao Gazety dia miara-ory amin’ny fianakaviany sy mankahery ireo mpiara-miasa aminy teo anivon’ny asa fanaovan-gazety ihany koa.