Blog

Nodimandry ny namana TSIMIALA Clerc

FODIAMANDRY
Amin’alahelo lehibe no ampandrenesanay fa nodimandry ny sabotsy 11febroary 2023, ny namana TSIMIALA Clerc izay mpanao gazety ao amin’ny Radio RAKAMA RAdio KAtolika Mazava Atsinanana, Faritra Fitovinany.
Tsy salama, notsaboina tao amin’ny Hopitaly Henintsoa, nandritra ny herinandro izy, izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
Mankahery ny fianakaviany sy ireo rehetra akaiky azy ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara.
Sary sy fampitam-baovao : Faré, mpikambana birao OJM Fitovinany.