Blog

Ny asa fanaovan-gazety sy ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza

Zava-dehibe ho an’ny Mpanao gazety ny fisitrahana ny fiofanana mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, mba hahafahan’izy ireo ihany koa mampita soa aman-tsara amin’ny olon-drehetra ireo torohay entina miatrika an’izany mialoha, mandritra ary aorian’ireny hamehana ireny.
 

Araka izany dia nisy ny atrikasa izay nokarakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena sy ny BNGRC izay niarahana tamin’ireo Mpanao Gazety ato amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana tetsy amin’ny Tranoben’ny Tanora Ankilifaly eto Toliara, ka naharitra 3andro izany fampiofanana izany, nanomboka tamin’ny Alakamisy faha 30 Martsa ary nifarana ny Asabotsy faha 02 Aprily teo.
Isany iray amin’ireo lohahevitra nisongadina nandritran’ny fampiofanana ny fampahafantarana ny Serasera ho amin’ny fiovam-pihetsika sy fiovan’ny Fiarahamonina, mba hivoizana ny fampiharana ny fihetsika fototra tokony hataon’ny eo anivon’ny tokantrano sy ny mpirai-monina manoloana ny loza sy ny tandindon-doza.
 
Loharano nanovozana : RAOBISON Steven Taylor
[aigpl-gallery id= »14333″]