Tag Archives: ny karatry ny mpanao gazety

Araka ny andraikitra izay voafaritry ny lalàna ho sahaniny, anisan’izany ny fandaminana, ny    fitsirihana sy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana, ary ny fanolorana toromarika mahasahana ny asa fanaovan-gazety, ny famoahana ny karatry ny mpanao gazety, ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara dia manao izao fampahatsiahivana sy fampitam-baovao  manaraka izao :

Hatomboka ny zoma 04 febroary 2022 ny famoahana ny karatry ny mpanao gazety, ka araka ny efa voalaza ombieny dia mpanao gazety manodidina ny 1500 eo ho eo, tafiditra amin’ny andiany voalohany, no hisitraka izany

Hisokatra amin’io fotoana io ihany koa ka hifarana ny faran’ny volana martsa, ny fandraisana ireo fangatahana vaovao, hahazoana ny karatra, havoaka ho an’ny andiany faharoa, amin’ity taona ity ihany

Ny mpanao gazety matihanina dia ny olona izay manao foto-draharaha    sy                ara-dalàna ny fikarohana ny zava-mitranga any amin’ny loharanom-baovao ary mampita izany amin’ny alalan’ny fomba mifanentana amin’izay, amin’ny vahoaka. Amin’izany          foto-draharaha izany no isintonany ny hery rehetra ilaina amin’ny antom-pisiany.

 Andraikitra sy fomba fiasan’ny mpanao gazety ny fanajana ny tandro hasina sy ny  deontolojian’ny asa fanaovan-gazety, ny fanamarinana ny fahamarinan’ny vaovao azony sy ny  fanavahana ny zava-misy sy ny fanazavana na famelabelarana.

Toy ny Mpanao gazety rehetra iray vatsy iray aina ao anatin’ny asa, ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara dia saro-piaro amin’ny fahalalahana sy ny fiarovana ny  zo aman-kasin’ny asa fanaovan-gazety.

 Natao, teto Antananarivo, ny 29 janoary 2022.