Blog

« Viavy miavotse… » : tsy miankin-doha, manana ny asa maha mpanao gazety

08 martsa 2022 : iray amin’ireo andro iraisampirenena 87 nankatoavin’ny Vondron’ny Firenena Mikambana. Andro Iraisampirenena ho an’ny Vehivavy, andiany faha-45.

Miisa 491 isika no vehivavy, tao anatin’ireo mpanao gazety manodidina ny 1500, nahazo ny karatra maha matianina, andiany voalohany teo, izany hoe manodidina ny 32 isan-jaton’ny mpanao gazety.
« Viavy miavotse… » : tsy miankin-doha, manana ny asa maha mpanao gazety
«…miatrika sy mifanampy… » : miatrika adidy sy andraikitra, sarotra, sady mpanao gazety no vady, reny, ho reny. Mifanampy, apetraka ambonin’ny fahefana rehetra ny fitiavana
« …taratry ny fitovian-jo sy antoky ny fampandrosoana lovain-jafy » : mpanao gazety vehivavy, mametraka ny ho avin’ny taranaka amin’ny alalan’ny asantsika.
Ry mpanao gazety vehivavy ! Ndeha horaisina ny andraikitra ! 32% ho an’ny fanovana !
RASOLOARISON H. Monica
Filohan’ny OJM
Antontanisa mpanao gazety vehivavy isam-paritra :
-ANALAMANGA 222
-ALAOTRA MANGORO 32
-ATSINANANA 28
– BOENY 25
-MATSIATRA AMBONY 23 -ATSIMO ANDREFANA 20 -DIANA 17
-VAKINANKARATRA 13 -BONGOLAVA 13
-ATSIMO ATSINANANA 11 -MENABE 10
-IHOROMBE 10
-SAVA 9
-AMORON’I MANIA 9
-SOFIA 8
-ANOSY 6
-FITOVINANY 6
-BETSIBOKA 6
-ITASY 5
-MELAKY 5
-VATOVAVY 5
-ANALANJIROFO 4
-ANDROY 4