Blog

Vita ny adin’ny AFAKANDRO Frédéric

FODIAMANDRY
Namoy namana ny fianakaviamben’ny mpanao gazety.
Nodimandry ny alahady 4 jona 2023, i AFAKANDRO Frédéric, mpanao gazety, teknisianina sy mpamokatra fandaharana » Aia ro gnai » sy « soa raha ho hay tsy ahatotohatsy ».
Maro mpankafy ny fandaharany.

Efa delegen’ny Seraseran’i Maintirano ary voatendry ho talem-paritry ny Serasera Melaky ny taona 2008 hatramin’ny 2014.
Nanomboka ny taona 2015 izy no « chef de service Administratif et Financier » tany Melaky indray.
Mpanao gazety tia manoro, mizara traikefa ho an’ny mpiara-miasa izy. Nanokatra ny RNM tany Belo Tsiribihina ny taona 1999, nampiofana ireo mpiasa telo mianadahy tao, tamin’ny fotoan’androny.
Namela mananon-tena sy kamboty mianadahy izy.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany, tapaka sy namany ary mpiara-miasa aminy ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara.