Blog

3 MEY | BOENY

Toy ireo faritra rehetra, hiaraka hanamarika ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ihany koa ny faritra Boeny. Toy izao ny fandaharam-potoanan’ireo hetsika hatao :


– 6h : marche de solidarité toy ny isan-taona, manomboka eny amin’ny moron-dranomasina, mifarana eo amin’ny Lapan’ny tanàna, faranana amin’ny hetsika ara-panatanjahatena manoloana ny Lapan’ny tanàna ihany ( zumba iarahana amin’ny tarika Hay dihy)
-9h: fanarahana mivantana ny fanokafana ny fanamarihana nasionaly avy any an-drenivohitra amin’ny alalan’ny visio conférence.
– 10h30 : asa soa, fanolorana fanampiana ho an’ireo ankizy tezaina ao amin’ny CDEF Mangarivotra
– 15h30 : famelabelaran-kevitra ao amin’ny Tranobe Akory haly, mahakasika ny lohahevitry ny fanamarihana. Fifampizarana iarahana amin’ireo mpanao gazety zokiny eto Mahajanga izay anasana ny rehetra, toy ireo mpianatra , olon-tsotra sns.
[aigpl-gallery id= »15813″]