Blog

3 MEY | MELAKY

Ireto kosa ny ho fandaharam-potoana hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ho an’ny faritra Melaky.

6h : hazakazaka eny amoron-dranomasin’i Maintirano.
8h30 : Famelabelaran-kevitra mahakasika ny asa fanaovan-gazety sy ny manodidina azy, ny fomba hahalalana ny vaovao diso, ny vaovao marina indrindra eny anivon’ny tambazotran-tserasera.
15h : Fivoriana miaraka amin’ny OMC Melaky ho fametrahana fiaraha-miasa sy paikady amin’ny fizarana loharanom-baovao haingana sy marim-pototra ary ara-potoana mahakasika ny resaka tsy fandriampahalemana izay hita fa tena mankarary ny faritra Melaky.
Faranana amin’ny fiarahana miala hetaheta