Blog

fitia tsy mba hetra nataon’ny biraon’ny OJM

Maro no nandray anjara tamin’ny antso tolo-tanana, fitia tsy mba hetra nataon’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, ho fanampiana ireo mpanao gazety niharam-boina, rava trano any amin’ireo faritra nolalovan’ny rivo-doza Batsirai. Mampihetsi-po, ankasitrahana indrindra ny firaisankina nasehontsika izay maneho ny maha iray vatsy iray aina antsika ao anatin’ny asa fanaovan-gazety. Misaotra indrindra tompoko.

Indro ary ny tatitr’ireo lelavola voaray taty amin’ny OJM foibe. Nisy ihany koa ireo nandefa izany mivantana tany amin’ireo namana mpanao gazety traboina ka isaorana manokana.

Vous avez été nombreux à répondre à l’appel à la solidarité lancé par le bureau de l’Ordre des Journalistes de Madagascar, et contribué à lever des fonds en faveur de nos collègues journalistes, victimes du passage du cyclone Batsirai dans les régions où celui-ci a sévi. Nous vous exprimons toute notre gratitude, ils vous en sont reconnaissants. Du fond du cœur, merci.