Tao anatin’ny famitana iraka momba ny asany, niarahany tamin’ny Alliance Voahary Gasy, tany Antalaha, no nanararaotra nihaona tamin’ireo mpanao gazety any an-toerana, Monica RASOLOARISON, filohan’ny OJM, ny talata 19 jolay 2022.

Nisaorana ireo mpanao gazety tamin’ny fifidianana natao ny oktobra 2021

Nampahafantarana ny vina, ireo asa efa natao sy ireo mbola miandry mandritra ny efatra taona fe-potoam-piasana

Nifanakalozana hevitra sy nihainoana ny hetaheta, ho amin’ny fampiroboroboana ny asa sy ny fanampiana ny mpanao gazety, araka ny voafaritry ny lalàna

Nanolorana ny boky, fanomezana avy amin’ny FES

Nanentanana ny amin’ny fiombonana hiarahana manatratra ny vina « Mpanao gazety matianina, miray hina ho amin’ny fampandrosoana ».