Blog

ANTSO FANAIRANA

Miantso sy manaitra ireo tompon’andraikitra rehetra voakasik’izao tranga manaraka izao ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, mba handray ny andraikitra manandrify azy ireo avy.

Raha ny tatitra voaray dia niharan-doza ny mpanao gazety iray, Teholy Martin, ao amin’ny Midi Madagascar, noho ny fianjerana takela-by fanaovana dokam-barotra teny Ankazotokana, ny 23 jona 2022, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, rehefa nandeha tongotra teny an-dalana hanangom-baovao.
Nianjera teny amin’ny arabe ny tenany rehefa voadonan’io takela-by io ka nandritra izay indrindra no nisy fiara nanitsaka ny tanany.
Nitsoaka ilay fiara nanitsaka rehefa nasaina hitondra azy teny amin’ny hopitaly ary nilaza fa tsy andraikiny izany.
Raha ny voalaza ihany dia misy taolana potika amin’ny ankihiben-tanan’ity mpanao gazety naratra ity. Mety hitarika fandidiana ary ahiana ny tsy fahafahan’ny rantsan-tanana rehetra miasa intsony. Izany hoe mety ho tonga hatrany amin’ny tsy fahafahan’ilay olona miasa ara-dalàna intsony.
Manantena fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra rehetra voakasik’izany izahay eto amin’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
Mirary fahasitranana haingana ho an’i Teholy Martin, izay tsaboina eny amin’ny HJRA.
👉 Kaonty M’Vola ho fiaraha-mientana aminy, 0342800365, amin’ny anaran’i Ratolojanahary Martin Sébastien.
Sary indrana.