Blog

Association des Journalistes « Kalon’ny Ala » Mangoro-Moramanga

Association des Journalistes « Kalon’ny Ala » Mangoro-Moramanga : Birao vaovao sy fifampiarahabana tratry ny taona.
Ny taona 2004 no nitsangana ny fikambanan’ny mpanao gazety ‘Kalon’ny ala Mangoro » Fikambanana ivondronan’ireo mpanao gazety ao Moramanga sy Anosibe An’ala.

Tapitra ny fe-potoana niasan’ireo mpitantana teo aloha ka ny voalohan’ny volana martsa lasa teo no natao ny fifidianana.
Mbola voatazona hitantana izany fikambanana izany i Juanita Rakotoarivao ,raha toa ka Ny Njakasoa Fetraharilala no voafidy ho Sekretera Jeneraly. Izy mianadahy ireo arak’izany no hitantana ny fikambanana mandritra ny telo taona miaraka amin’ireo birao voafidy niaraka tamin’izy mianadahy.
Vina sy tanjon’ny Birao vaovao ny hampivondronana ny haino aman-jery rehetra misy ao Moramanga amin’ny alalan’ny mpanao gazety izay mikambana ao anatiny. – Ny hampiray tsy mivaky ny mpanao gazety mpikambana. –Eo ihany koa ny fanomezan-danja ny sosialin’ny mpikambana ao amin’ny fikambanana. – Ary farany ny fitadiavana ny tombotsoan’ny fikambanana toy ny fanamafisam-pahaiza-manao entina hanatsarana ny asa fanaovan-gazety ao Mangoro.
Tao aorian’izay dia nisy ny fiaraha-misakafo sy korana fifampiarahabana tratry ny taona vaovao nokarakarain’ny Fikambanana ka nandritra ny lanonana no niarahaban’ny Birao OJM Alaotra-Mangoro azy mianadahy izay nasaina manokana, miaraka amin ‘ireo mpanao gazety vitsivitsy avy any Alaotra.
[aigpl-gallery id= »15766″]