Blog

Baolina kitra, laharana faharoa ny UJSM

Nandray anjara tamin’ny lalao firaisankina nokarakarain’ny trano fandraisana lanonana iray miorina eny amin’ny By Pass Ambohimangakely ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena UJSM.

Nanamarihana ny fitokanana ny kianja vaovao ao amin’io toerana io ity fihaonana natao ny 17 Febroary 2022 ity. Niisa telo ny mpandray anjara. Nahazo ny laharana voalohany ny ekipan’ny kaominina Ambohimangakely, faharoa ny UJSM ary fahatelo ny Madagascar Espace.
Mitohy ny fandaharam-potoanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena. Amin’ny Sabotsy 19 Febroary izao izy ireo no hiatrika ny ekipan’ny mpanakanto. Lalao ho tanterahana eny amin’ny kianjan’ny Oniversiten’Antananarivo.