Blog

FAMPAHATSIAHIVANA

Manoloana ny fitarainana voaray momba ny trangana fandrahonana nihatra tamin’ny mpanao gazety avy amin’ny radio tsy miankina iray, voaray ny alatsinainy 9 may 2022, teny Ankatso, ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara dia mampahatsiahy ny rehetra ireto lalàna velona ireto:

Araka ny lalana 2020-006 tamin’ny 01 Septambra 2020 momba ny Serasera amin’ny haino vaky Jery.
Andininy faha 5 (vaovao) mikasika ny « fahalalahan’ny fahafahana mitady , mandray ary mampita ny torohay sy hevitra…
…afa-tsy ny fanajana ireo fepetra voalazan’ny andininy 15 ka hatramin’ny 31 amin’ity lalàna ity, ANKALALAHANA TANTERAKA SY AMIN’NY TOE-TSAINA MAHALEOTENA NY ANDRAIKITRY NY MPAMPAHALALA VAOVAO DIA NY MANEHO FOMBA FIJERY ARY MITATITRA IREO SEHO SY TRANGA…
Andininy faha 6: « Ny fampahalalam-baovao amin’ny endriny rehetra dia TSY MISY FANERITERENA MIALOHA MIHITSY, AFA-TSY IZAY MANOHINTOHINA NY FILAMINAM-BAHOAKA SY NY FOMBA FIAINA TSARA… »
Andininy faha 7: « NY MPANAO GAZETY DIA TSY AZO SAKANANA NA RARANA HIKAROKA NY LOHARANOM-BAOVAO, TSY AZO AHIAHIANA NA AMIN’NY FOMBA INONA NA AMIN’NY FOMBA INONA EO AM-PANATANTERAHANA NY ANDRAIKITRA ARA-DALANA MAHA MPANAO GAZETY AZY.
NY MPANAO GAZETY DIA MANANA ZO HAHAZO IREO LOHARANOM-BAOVAO REHETRA,… »
Andininy faha 68:  » Izay rehetra herisetra ataon’ny vatantenan’olona na Fikambanana, na manam-pahefana ara-panjakana, ny mpitandro ny filaminana amin’ny toerana misy ny mpanao gazety, na ny ekipa mpanao fanadihadiana na amin’ny foiben’onjampeo sy fahitalavitra izay manimba ny fitaovana fiasany, dia iharan’ny fanenjehana sy sazy araka ny fepetra ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny ady heloka.
Afa-tsy raha misy fanamelohana araka ny lalàna sy ao anatin’ny fisahanany ny asany, dia voarara ny figiazana ny fitaovam-piasan’ny mpanao gazety na ny rantsana misahana ny asa fanaovan-gazety.
Voarara ihany koa ny fanimbana sy ny fanapotehana ny zava-pantatra raketina ao amin’ny endriny rehetra. »
Ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara dia sarotiny amin’ny fanajana ny lalàna ary vonona hitsangana hiaro ny mpanao gazety rehetra , araka ny andraikitra nomen’ny lalàna azy, amin’izay tranga mety mahavoatohintohina ny mpanao gazety malagasy eo amin’ny sehatry ny asany.
Raha ny fitarainana, dia nanatanteraka ny asany, nandrakotra ny hetsika fitakian’ny sendikan’ny PAT teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ity mpanao gazety ity no nisy nandrahona, hidaroka sy hanapotika ny fitaovana fiasany, nolazaina ho mpikaraman’ady.
Biraon’ny OJM Analamanga.