Blog

FIARAHA-MIASAN’NY MPANAO GAZETY SY NY MPITATITRA AO MENABE

Tohin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaoperativam-pitaterana « zone régionale » ao anatin’ny faritra Menabe sy ny mpanao gazety any an-toerana, tsy mandoa saran-dalana ireo mpanao gazety raha hanatontosa ny asany, ao anatin’ireo toerana lalovan’ny taksiborosy mpitatitra voakasik’izany, dia ny an’ny kaoperativa FIFIMO sy KOFIME tarihin’Andriamatoa Bora sy Asgara.

Mankasitraka izao endri-piaraha-miasa izao ny mpanao gazety, satria hanamaivana ny fanatontosany ny asany, eo amin’ny fanangonam-baovao ataony izany.
Fampitam-baovao sy sary : Jean Patrick Rakotomalala