Blog

Fifamoivoizana : afindra ny lalan’ireo zotra mandalo ny 67 Ha sy ny manodidina

Afindra vonjimaika ny lalana ifamoivoizan’ireo zotra manodidina lalana Rainikibory, mandalo eo amin’ny tetezana Jesosy Mamonjy 67ha ka hatreho amin’ny sampanan’ny mpivarotra atody Antohomadinika. Voakasik’izany ihany koa ny fiara rehetra.

Mandray ny Rond-point Ankazomanga, mihazo ny Boulevard de l’Europe, mandray ny lalana Bretelle 67ha Nord avokoa ireo zotra rehetra avy any Antanimena.

Mandray avy hatrany ny lalana Andriamananto (Coum) kosa ireo zotra rehetra avy any Antanimena, ary mihazo ny Boulevard de l’Europe, mandalo ny Jovena Ankazomanga.

Mandray ny Gare routière, mandalo Maki rocade, boulevard de l’Europe , Seimad, Boulevard de l’Europe , Rond point Ankazomanga, Vasakaosy kosa ireo avy any amin’ny Digue.

Ho an’ireo hihazo ny Digue kosa, dia mandalo Vasakaosy, Rond point Ankazomanga, Madinox, Ankasina, Vatobe ary manohy ny lalana mahazatra azy.

Zotra D: Ho an’ireo zotra avy amin’ny Digue hihazo an’Antsalovana dia mandray ny : Gare routière – Maki – Rocade – Boulevard de l’Europe – SEIMAD – Boulevar de l’ Europe – Rond point D’ Ankazomanga – Antaniavo ary manohy ny lalan-jotra mahazatra azy.

Hoan’ireo zotra avy any Antsalovana hihazo ny Digue dia mandray: Antaniavo – Rond-point Ankazomanga – Boulevard – Rocade ary manohy ny lalan-jotra mahazatra azy.

Ho fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny fiateram-bahoaka no antony ametrahana izao fandaminana izao mandritra ny fotoana tsy voafetra izany raha ny fampitam-baovao avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Source : https://depeche-taratra.mg/