Blog

KARATRA MAHA MATIHANINA : MITOHY NY FANAPARIAHANA

Voazara hatramin’ny 80% ny karatry ny mpanao gazety Analamanga. Nanomboka ny fandefasana ny any amin’ny faritra hafa.
Tato anatin’ny tapa-bolana, am-polony ireo antontan-taratasy fangatahana vaovao ny karatra, voaray tetsy amin’ny foiben-toeran’ny OJM Ambohidahy.
Mitohy hatramin’ny 31 martsa, raha tsiahivina, ny fandraisana izany.
– CV
– « Formulaire » fenoina, alaina eny amin’ireo mpikambana ao amin’ny birao OJM, na ao amin’ny www.ojm.mg (mipaingotra etsy ambany ny rohy)
– Dika mitovy voamarina CIN
– Sary tapaka telo
-Taratasy fanamarinana fifanarahana arak’asa
– Vokatra mirakitra ny asa (raki-peo, raki-tsary…)
Ireo no antontan-taratasy ilaina.
Raha misy ny fanamarihana na mampisalasala, aza adinoina ny manatona ireo mpikambana ao amin’ny biraon’ny OJM, na manoratra « mp » amin’ny kaonty Fb OJM.
https://ojm.mg/fddpj/