Blog

Lavo ny Andrarezina : Rahajarizafy Rémi

Misaona ny tontolon’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara. Nodimandry omaly hariva teo amin’ny faha 88 taonany Rahajarizafy Rémi, mpanao gazety zokiolona, filoham-boninahitry ny CJD ary mpahay tantara, fantatra amin’ny solon’anarana Dami na koa Ralehilahy.
Nikaroka sy nanoratra boky momba ny mpanjaka Radama, nsy ny raharaha 1947.

Efa nisahana ny andraikitra maha tonian-dahatsoratra sy talen’ny famoahana tamin’ny ny gazety samihafa toy ny Lakroan’i Madagasikara, Isan’andro, ny gazety VAOVAO izy.
Mpampianatra malagasy ihany koa i Remi Rahajarizafy.
Tale teo anivon’ny minisitera nisahana ny kolontsaina ny taona 1992 mialoha ny nisotroany ronono teo amin’ny asam-panjakana.
Miombon’alahelo sy mirary fiononana ho an’ny fianakaviany ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.

Source : Dépêche Informative Taratra

Sary : Topimasomada