Blog

Lavo ny Andrarezina,nodimandry i Charles Raza Malaivandy

FODIAMANDRY
Very namana iray indray ny fianakaviamben’ny mpanao gazety. Nodimandry ny alatsinainy 24 oktobra ny mpanao gazety RAZA Charles, rehefa notsaboina noho ny aretim-po nahazo azy, andro vitsivitsy izay. Izy izay sady filoha lefitra tompon-toeran’ny OJM, faritra Atsimo Andrefana.
Anisan’ireo zoky eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nanoratra tao amin’ny Midi Madagascar. « Masiatsiaka fanoratra manoloana ny tsy rariny. Mpanitsy sy mpampianatra ». Ireo no nahafantarana azy.
Alevina ny talata 25 oktobra 2022 ao amin’ny fasan’ny Silamo ao Toliara ny nofo mangatsiakany, ao aorian’ny lamesa ny maraina.
Miombon’alahelo sy mirary fiononana ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy, ny biraon’ny OJM Atsimo Andrefana, ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.
[aigpl-gallery id= »15572″]