Blog

Nitsahatra tamin’ny fihazakazahany i ANDRIAMANANJARA Livamalala

FODIAMANDRY
Amin’alahelo lehibe no nandrenesana sy ampahafantarana ny nahalasanan’ ANDRIAMANANJARA Livamalala, mpanao gazety ara-panatanjahantena, sady mpanentana fandaharana amin’ny fahitalavitra VIVA Madagascar.
Nodimandry teo amin’ny faha-34 taonany ny alatsinainy 3 aprily 2023.

 » Tampoka loatra. Nitaraina narary an-doha izy ny maraina, raha niaraka nisakafo maraina izahay. Tension izany, hoy aho. Mbola nanao plateau izy ny tolakandro. Nisakafo teny Alarobia. Nisy mpiara-miasa niantso an-telefaonina izy. Olona hafa no namaly, nilaza hoe mianjera ato ny tompon’ity telefaonina ity. Tonga nijery azy ny fiaran’ny toeram-piasana. Efa lasa izy. AVC no nahazo azy. Ontsa tanteraka ny fo », hoy ny mpiara-miasa akaiky aminy.
Nanomboka niasa tao amin’ny VIVA i Liva, ny taona 2012. Mpikambana ao amin’ny UJSM (Union des Journalistes Sportifs de Madagascar) ihany koa izy.
Mirary fiononana feno ho an’ireo akaiky azy rehetra ny fianakaviamben’ny mpanao gazety.

Laisser un commentaire

Your email address will not be published.

You may use these <abbr title="HyperText Markup Language">html</abbr> tags and attributes: <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <s> <strike> <strong>

*