Blog

Nodimandry i Jenny

ODIAMANDRY
Amin’alahelo lehibe no ampandrenesana antsika fianakaviamben’ny mpanao gazety fa banga iray isika.
Nodimandry ny 28 jolay 2022 tamin’ny 12 Ora alina RAZAKASON Jenny.

Mpanao gazety tao amin’ny Televiziona Ravinala, tamin’ny fotoan’andro. Efa nanoratra tao amin’ny La Vérité sy Inona no Vaovao ihany koa ary efa nitazona andraikitra maro teo amin’ny tontolon’ny Serasera.
Miara-ory sy mirary fiononana ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara.